Manosika aloha fa mbola tsy mahatarika !
Nampidirin'i rhya | 31 Mar, 2008Mbola eto am-pianarana mitoraka bolongana aloha dia aleo manosika ny hafa. Ity alefako eto ny lahatsoratra saika nalefan’i Tsikisariaka tatsy amin’ny http://tsikisariaka.blaogy.com/post/638/4469
Betsaka ny safidy fa ny ahy tokana ihany... teny Antsonjombe (Media Consulting)
Mpanaraka ny Tarika Rebika hatrizay niforonany aho. Mbola tsy nanambady akory tamin'izany.
Raha vao misy fampisehoana ataony eto Analamanga dia tsy tara ny tena fa lasa foana. Manomboka eo amin'ny fahalalana ny fisian'ilay fampisehoana ny fifaliana. Avy eo, dodona ery rehefa tonga ilay fotoana... manomana ny sakafo sy misaina ny fomba ahatongavana eny amin'ilay toerana... Antsahamanitra, Club Nautique Ivato, Palais des Sports, Antsonjombe... Tsy eritreretina loatra ny vidim-pidirana fa ny anarana tokana dia hoe : HIJERY REBIKA. Nifindra tamin'ireo zanaka nony taty aoriana ilay fankafizana ny Tarika ka dia rafitra manaraka koa ry zareo... misy ny mbola kely dia tafiditra fotsiny, misy anefa ny lava be dia mahazo an'ilay hoe : "ity kosa efa mandoa fidirana e ! " - tsy asaina olana... mody manao hoe "andray kosa !" no sady avoaka ihany ny vola dia tarihina hiditra ihany ny ankizy. Ny fotoana lany eo am-pilaharana moa, mameno ny fahafinaretana rehefa tonga atsy anatin'ny kianja hisy ny fampisehoana. Misonanina ery maka toerana rehefa tonga ao dia mierikerika mijery ireo mpiara-mitia an-dRebika. Mitazana koa sao mahita namana... (ry Pissoa kay efa tsy aty ko !) Indreny koa fa tazana sahady ry... "makafoka rahampitso"... mpilalao manao fampisehoana ireny rehefa avy eo an ! fampisehoana kely ampoizina fa tsy nomanina.
Rebika tamin'ity taona ity no feno 20 taona ary ny tena nahafinaritra dia tonga daholo ry zalahy : Hery, Benja, Lucien, Noely, Hertiana, Rampal, Nirina, Rivo, Lôla ary i Patrick... ireo mpitendry hafa tsy haiko loatra. Nandalo tao koa i Jeannot izay mampiady hevitra ny olona hoe Rebika tokoa ve izy iny sa ahoana ? fa kanto e ! isan'ny mpihira tiako koa iny, tsara ny hirany. i Njakatiana no tsy tonga fa teny Analamanga Park angamba kanefa dia nisentoana azy ihany ilay hira hoe "sao dia ataonao adaladala àry aho, na dia efa mitapitapy mihitsy..."--- fa an'iza tokoa iny hira iny ? Rebika sa Njakatiana ? Soa fa samy Tarika tiako avokoa ka tsy hamaly aho.
Tsy nahaisa aho hoe firy ny isan'ny hira nataony na dia nambarany aza fa 70 eo ho eo mandram-paharivan’ny andro. Kinanjo tong any tamin’ny 5 ora sy sasany dia nataony “NY HIRANAY” ary natao in-droa dia vita ny fety. Nidongy ny mpijery fa dia izay no vita e ! amin’ny manaraka indray. Izaho mino fa tsy tapitra ilay “repertoire” fa ny ora no voafetra. Tsy nandeha tao ohatra “NY HIRAN’NY FITIA” sns… angamba noho ilay famerenana teny afovoany sy ny fiatoana lava loatra tamin’ny atoandro. Na izany aza dia samy faly ny rehetra nitondra fahafinaretana nody.
Amin’ny manaraka indray dia ho ela velona ny tarika Rebika sy ny Talentany e !