ALAHAMADY : Taom-baovao malagasy

Nampidirin'i rhya | 3 Apr, 2008
Amin'ny 6 aprily 2008 amin'ny 3 ora sy 56 minitra (GMT) izany hoe amin'ny 6 ora 56 mn eto Madagasikara dia hifanitsy ny volana sy masoandro eo amin'ny antokon-kintana alahamady ary dia izay no ALAHAMADY na ny TAOM-BAOVAO MALAGASY.

Eny Alasora no vohitra ankalazana azy amin'ity taona ity raha tany Imerimanjaka izy talohan'izao taorian'ny tetsy Ampandrana. Aorian'izao moa dia voalaza fa eny Ambohidrabidy dia avy eo eny Ambohimanga indray. Mihodina manaraka ny fanjakana isan-taona izany.

Ny fanisana mba ahatongavana amin'izao moa dia miankina betsaka amin'ny fomba amam-panao ary tsy misy hidiran'ny finoana mihitsy. Raha azoko tsara ny fanazavana dia hoe ny fenomanana eo anelanelan'ny 7 Martsa sy ny 21 Martsa ampiana herinandro no hanondroana ny Paska (Paques) dia ny Alahady faharoa aorian'io ny Alahamady. Dia amin'ny 06 Aprily 2008 izany ny Taom-baovao malagasy amin'ity raha araky ny nolazain'Andriamatoa RAKOTO David sy ny Koltoraly.

Ny Sabotsy 5 Aprily 2008 amin'ny 4 ora hariva dia hanomboka ny AFO TSY MATY izany hoe fitondrana arendrina izay midika ho fanalàna lolo, hono ary dia hisy izany ny Alina tsy maty iandrasana ny Alahamady na Alahamadibe. Atao hoe Alahamadibe izy satria andro miavaka sy fety.

Marihina fa misy koa ny Alahamadibe izay ankalazain'ny vohitra Anosimanjaka avokoa. Samy fomba malagasy rahateo. Vao tsy ela mantsy izay ny Asaramanitra tetsy amin'ny Rarihasina Analakely. Mbola sarotra ny hamehy an'izy ireo ho iray fa raha ny fiheveranay azy dia hoe samy manana ny heviny sy ny dikany eo amin'ny fomba amam-panao malagasy ka aleo samy omena ny hasiny avy.

Izahay rahateo mpampita vaovao ihany, tsy dia manana havaly tsikera loatra fa izay manana fanampim-baovao moa afaka maneho izany tokoa.