ALAHAMADY : Taom-baovao malagasy

Nampidirin'i rhya | 3 Apr, 2008
Amin'ny 6 aprily 2008 amin'ny 3 ora sy 56 minitra (GMT) izany hoe amin'ny 6 ora 56 mn eto Madagasikara dia hifanitsy ny volana sy masoandro eo amin'ny antokon-kintana alahamady ary dia izay no ALAHAMADY na ny TAOM-BAOVAO MALAGASY.

Eny Alasora no vohitra ankalazana azy amin'ity taona ity raha tany Imerimanjaka izy talohan'izao taorian'ny tetsy Ampandrana. Aorian'izao moa dia voalaza fa eny Ambohidrabidy dia avy eo eny Ambohimanga indray. Mihodina manaraka ny fanjakana isan-taona izany.

Ny fanisana mba ahatongavana amin'izao moa dia miankina betsaka amin'ny fomba amam-panao ary tsy misy hidiran'ny finoana mihitsy. Raha azoko tsara ny fanazavana dia hoe ny fenomanana eo anelanelan'ny 7 Martsa sy ny 21 Martsa ampiana herinandro no hanondroana ny Paska (Paques) dia ny Alahady faharoa aorian'io ny Alahamady. Dia amin'ny 06 Aprily 2008 izany ny Taom-baovao malagasy amin'ity raha araky ny nolazain'Andriamatoa RAKOTO David sy ny Koltoraly.

Ny Sabotsy 5 Aprily 2008 amin'ny 4 ora hariva dia hanomboka ny AFO TSY MATY izany hoe fitondrana arendrina izay midika ho fanalàna lolo, hono ary dia hisy izany ny Alina tsy maty iandrasana ny Alahamady na Alahamadibe. Atao hoe Alahamadibe izy satria andro miavaka sy fety.

Marihina fa misy koa ny Alahamadibe izay ankalazain'ny vohitra Anosimanjaka avokoa. Samy fomba malagasy rahateo. Vao tsy ela mantsy izay ny Asaramanitra tetsy amin'ny Rarihasina Analakely. Mbola sarotra ny hamehy an'izy ireo ho iray fa raha ny fiheveranay azy dia hoe samy manana ny heviny sy ny dikany eo amin'ny fomba amam-panao malagasy ka aleo samy omena ny hasiny avy.

Izahay rahateo mpampita vaovao ihany, tsy dia manana havaly tsikera loatra fa izay manana fanampim-baovao moa afaka maneho izany tokoa.

Manosika aloha fa mbola tsy mahatarika !

Nampidirin'i rhya | 31 Mar, 2008

Mbola eto am-pianarana mitoraka bolongana aloha dia aleo manosika ny hafa. Ity alefako eto ny lahatsoratra saika nalefan’i Tsikisariaka tatsy amin’ny http://tsikisariaka.blaogy.com/post/638/4469

Betsaka ny safidy fa ny ahy tokana ihany... teny Antsonjombe (Media Consulting)
Mpanaraka ny Tarika Rebika hatrizay niforonany aho. Mbola tsy nanambady akory tamin'izany.

Raha vao misy fampisehoana ataony eto Analamanga dia tsy tara ny tena fa lasa foana. Manomboka eo amin'ny fahalalana ny fisian'ilay fampisehoana ny fifaliana. Avy eo, dodona ery rehefa tonga ilay fotoana... manomana ny sakafo sy misaina ny fomba ahatongavana eny amin'ilay toerana... Antsahamanitra, Club Nautique Ivato, Palais des Sports, Antsonjombe... Tsy eritreretina loatra ny vidim-pidirana fa ny anarana tokana dia hoe : HIJERY REBIKA. Nifindra tamin'ireo zanaka nony taty aoriana ilay fankafizana ny Tarika ka dia rafitra manaraka koa ry zareo... misy ny mbola kely dia tafiditra fotsiny, misy anefa ny lava be dia mahazo an'ilay hoe : "ity kosa efa mandoa fidirana e ! " - tsy asaina olana... mody manao hoe "andray kosa !" no sady avoaka ihany ny vola dia tarihina hiditra ihany ny ankizy. Ny fotoana lany eo am-pilaharana moa, mameno ny fahafinaretana rehefa tonga atsy anatin'ny kianja hisy ny fampisehoana. Misonanina ery maka toerana rehefa tonga ao dia mierikerika mijery ireo mpiara-mitia an-dRebika. Mitazana koa sao mahita namana... (ry Pissoa kay efa tsy aty ko !) Indreny koa fa tazana sahady ry... "makafoka rahampitso"... mpilalao manao fampisehoana ireny rehefa avy eo an ! fampisehoana kely ampoizina fa tsy nomanina.

Rebika tamin'ity taona ity no feno 20 taona ary ny tena nahafinaritra dia tonga daholo ry zalahy : Hery, Benja, Lucien, Noely, Hertiana, Rampal, Nirina, Rivo, Lôla ary i Patrick... ireo mpitendry hafa tsy haiko loatra. Nandalo tao koa i Jeannot izay mampiady hevitra ny olona hoe Rebika tokoa ve izy iny sa ahoana ? fa kanto e ! isan'ny mpihira tiako koa iny, tsara ny hirany. i Njakatiana no tsy tonga fa teny Analamanga Park angamba kanefa dia nisentoana azy ihany ilay hira hoe "sao dia ataonao adaladala àry aho, na dia efa mitapitapy mihitsy..."--- fa an'iza tokoa iny hira iny ? Rebika sa Njakatiana ? Soa fa samy Tarika tiako avokoa ka tsy hamaly aho.

Tsy nahaisa aho hoe firy ny isan'ny hira nataony na dia nambarany aza fa 70 eo ho eo mandram-paharivan’ny andro. Kinanjo tong any tamin’ny 5 ora sy sasany dia nataony “NY HIRANAY” ary natao in-droa dia vita ny fety. Nidongy ny mpijery fa dia izay no vita e ! amin’ny manaraka indray. Izaho mino fa tsy tapitra ilay “repertoire” fa ny ora no voafetra. Tsy nandeha tao ohatra “NY HIRAN’NY FITIA” sns… angamba noho ilay famerenana teny afovoany sy ny fiatoana lava loatra tamin’ny atoandro. Na izany aza dia samy faly ny rehetra nitondra fahafinaretana nody.

Amin’ny manaraka indray dia ho ela velona ny tarika Rebika sy ny Talentany e !

TAPA-KEVITRA AHO FA HI-BLAOGY

Nampidirin'i rhya | 26 Nov, 2007

Miarahaba anareo rehetra ô

Faly be aho fa tafiditra eto dia mba handefa hevitra. Teo aloha teo dia mamaky sy mandinika fotsiny ary izao dia liana hifanakalo hevitra mihitsy.

Dia faly mahafantatra ny rehetra koa e !Cool

Tonga soa rhya!

Nampidirin'i rhya | 26 Nov, 2007
Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.